Politique

Farafangana Antson’ny Ampanjaka Tadatsy


  • Talata 02 Aogositra 2016

Miangavy ireo zanak'i Farafangana ny Ampanjaka Tadatsy ao Farafangana mba hiara-kiasa fa tsy hifamingampingana lava ka mamotika ny Distrikan'i Farafangana, izay mihamitotongana hatrany nefa manana Olomanga maro

. Vaky ambatolampy io fifandroritana anatiny sy fivakivakisan’ny samy zanak’i Farafangana io tamin’ny volana martsa 2016 teo. Nisy hetsika famitranam-pihavanana teo amin’ny Zafisoro sy ny Antefasy, nokarakarain’ny ekipan-dRavelonarivo Jean, praiminisitra tamin’izany fotoana ny 18 martsa. Nampametra-panontaniana ny zanak’i Farafangana ihany ny mbola nanaovana an’io, nefa efa navalon’ny tantara ny fifandrafesan’ireo Foko roa ireo, ary ny zanak’ireo Foko ireo aza efa mifampiditra. Tonga tany amin’ny fikasana hanongana Ampanjaka ny raharaha tamin’io. Ny 19 martsa, dia tonga tany indray koa ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ary nampijoro Ampanjaka maromaro. Nisy fampanantenana samihafa nataon’ny filoha ho an’ny vahoakan’i Farafangana tamin’io, fanamboaran-dalana, jiro, fahitalavitra... saingy miandry ny rehetra ny hanatanterahana an’ireo.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT