Ny 20 febroary 2016 ny filoham-pirenena no nilaza tany amin’ny orinasa Fanalamanga Moramanga fa hatao amin’ny fotoana mahamety azy ny fanovana ny governamanta.
Tsy mbola hitahita soritra anefa izany hatramin’izao. Fa matahotra inona ny filoha izay tokony ho tompon’ny teny farany ?
Mitaintaina toy ny sahobakaka ambodiriana ihany ireo minisitra mpikambana ao amin’ny governamanta Ravelonarivo Jean momba ny mety hisian’ny fanaovana atsy ho atsy na tsia, na dia maro aza ireo miezaka manafina izany. Ho an’Atoa Ahmad sy ramatoa Rasamoely Brigitte moa dia naleon’izy ireo namotsotra ny toeran’ny minisitra teo anivon’ny Jono sy ny kolontsaina ka nisafidy ny hanao loholona. Io tokoa no azo antoka fa tsy voahozongozona na ho toy inona hamafin’ny fitsokan’ny rivotra politika. Eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria dia tapaka indray ankehitriny fa hasiana izany vondron-tafika manokana hiady amin’ny dahalo izany. Fa inona moa no tena hampiavaka azy ity raha hitaha amin’ny miaramilan’ny CFS Ivato izay efa niofana amin’ny karazana tranga rehetra misy eto Madagasikara. Ankoatr’izay, eo koa ny FIGN. Tsy ny famonjena ny hery vonjitaitra ihany koa ve no tena asany ? Ny Gsis sy ireo zandary niofana ho komando any anaty « Compagnie » samihafa any manginy fotsiny. « Ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny olona no tena lesoka ka tonga dia hita taratra amin’ny isan’ny mpitandro ny filaminana eny avon’ireny brigady ireny izany » raha araka ny fomba fijerin’ny jeneraly iray izay efa misotro ronono. Sao dia mba ny fampitaovana ny mpitandro ny filaminana sy ny fampitomboana ny isany aloha no maika hanetevenana ny efa misy vao tokony hamorona brigrade anti-dahalo indray. Sa raha tsy izay hita hoe miasa ny governemanta ? Eo amin’ny asa vaventy indray dia raikitra tampoka ny fanapenana ny lavaka sy ny fanamboarana lalam-pirenena, amboarina koa ny tetezana rehetra any amin’ny RN 44. Tena miasa marina ve sa taitaitra te hampisongadin-tena sao mba voatazona amin’ny toerana ihany ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.