Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana omaly fa mifanaraka ny lalŕmpanorenana ny lalŕna laharana 2013-008, izay manova sy mameno ny andininy sasany ao amin’ny lalŕna laharana 2012-014 tamin’ny 26 jolay 2012, manangana ny CES na Fitsarana manokana momba ny fifidianana.
Mazava ny resaka eto fa dia manaiky ny fanovana ny CES izany ny HCC, koa dia tsy misy intsony ny sakana amin’ny fanovana endrika ity fitsarana manokana ity. Manomboka eto izany dia 19 indray no ho mpikambana ao amin’ny CES ka ahitana mpitsara am-perinasa 6, solontenan’ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra miisa 10 ary tsy maintsy manampahaizana sy manam-pahalalana momba ny lalàna izy ireo, mpanolotsaina ambony avy ao amin’ny HCC 1, administratera sivily 1 ary mpampianatra mpikaroka avy eny amin’ny oniversite 1.
Ireo mpitsara enina ireo dia hivoaka avy amin’ny fifidianana ataon’ny fianakaviamben’ny mpitsara manerana ny Nosy, ka izy enina ireo indray avy eo no hifidy izay ho filohan’ny CES, ka tsy maintsy mpitsara grady voalohany amin’ireo mpikambana ao amin’ny CES ihany no azo fidiana. Raha tsorina izany dia tsy maintsy ny iray amin’ireo mpitsara enina ao anatin’ny CES no ho filohany. Tsy nisy andraso andraso izany ity lalàna laharana 2013-008 manova ny CES ity fa vantany vao lany tsy nisy fanovana teny amin’ny Parlemanta tonga dia neken’ny HCC ihany koa, ary tao anatin’ny herinandro no nahavitan’izany rehetra izany. Ny minisitry ny atitany Atoa Rakotoarisoa Florent, izay efa mpikambana tao amin’ny HCC tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia efa nanambara fa tsy tokony hokitihana na ovaina intsony ny didy efa navoakan’ ny CES teo aloha, na dia misy CES vaovao aza.
Maro ny olona mitovy hevitra aminy, saingy ny olana dia misy tsy mitovy hevitra amin’izany fa manaiky ny hanovana ny lisitry ny kandida filoham-pirenena efa navoakan’ny vondrona politika sasany, nanasonia ny tondrozotra, tahaka ny Les AS tarihan’i Voninahitsy Eugène ohatra. Manana solontena ao anatin’ny CES vaovao anefa ity vondrona politika ity, tsy mbola fantatra koa izay hataon’ny solontenan’ny vondrona politika sasany ao. Nanakianana mafy ny CES ny filazana fa fanapahan-kevitra politika fa tsy didim-pitsarana madiodio no navoakany tamin’ny 3 mey. Misy afaka manome antoka anefa ve anefa fa tena tsy hisy loko politika mihitsy ny fanapahan-kevitra mety havoak’ity CES vaovao ity, izay ahitana olona mpanao politika 10 mpikambana ao anatiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.