Politique

Fanovana ny CES Mitohy ny amboletra


  • Alarobia 31 Jolay 2013

Lany tamin’ny tsangan-tanana nataon’ireo CST mpomba an-dRajoelina tetsy amin’ny Lapa Maitson’Anosikely ilay volavolan-dalàna 2013-013 tamin’ny 24 jolay 2013 manova sy mameno ny fepetra sasantsasany amin’ny lalàna 2012-014 tamin’ny 30 jolay 2012 nananganana ny rantsam-pitsarana manokana CES rehefa natao amboletra.

Ny zava-nisy, araka ny fitantaran’ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera telo tonta voakasiky ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity dia tsy lany tao anatin’ny asam-baomiera ny maraina tontolo izy io. Resy tamin’ny tsangan-tanana natao ireo mpikambana anaty vaomiera nanohana azy io ka nanangana savorovoro tsy nifankahitana ka dia rava maina teo ny raharaha. Nitadiavana lalan-kafa hampandaniana azy ilay izy avy eo ka raha tokony ho firosohana amin’ny fivoriana nitambarambe azon’ny besinimaro atrehana handaniana ilay volavolan-dalàna no natao dia nampanao tsangan-tanana hirosoana amin’ny fivoriana itambarambe tsy azon’ny maro atrehana ny filohan’ny CST.

Rehefa nihiboka samirery tao ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ka nifanaraka fa hofidiana isaky ny andininy ny voalazan’ilay volavolan-dalàna dia nisy nanao didin’ny be sandry nilaza fa tokony hatao tsangan-tanana faobe ny fandaniana ny andininy rehetra voalaza ao anatin’ity 2013-013 ity ary dia lany tokoa tamin’ny vato 72 nanaiky, 9 nitsipaka ary 2 tsy nilaza ny heviny. Tsy hisy intsony, araka izany, ny fampandehanana indray eny Tsimbazaza hanaovana «2è lecture» azy io, araka ny efa voasoratra mialoha ao amin’ny tabilao filazan-draharaha ao amin’ity Lapa ity, fa niakatra teo ny soratra, hoy ny fiteny ankehitriny. Miandry ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana rahampitso alakamisy sisa ireo parlemantera dia samy hody any aminy avokoa andeha hanatitra sôsy any amin’ny vady aman-janaka efa sasa-miandry aloha rehefa hanao pi-maso amin’ny vondron’ny SADC ho avy eto amintsika amin’ity andron’ny 31 jolay ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT