Politique

Fanovana mpikambana CT sy CST Maina molotra ny TIM Raharinaivo sy GMMR


  • Alarobia 30 Novambra 2011

Ara-bakiteny io manoloana ny resaka fanendrena CT sy CST vaovao ho eny Tsimbazaza sy Anosikely.

 Tsy hita tabilao mihitsy ry zareo ireto ao anatin’ny lisitra nifanarahana teny an-dapa afak’omaly. Ny an’ireo mpanara-dia an’i Yves Aimé aloha dia tsy mbola nisy nitana ny toerana CT sy CST io ry zareo fa ireo avy amin-dRaharinaivo no tena mangasihasy ary maro no efa mampionon-tena fa ndeha hody satria tsy tafiditra velively ao anaty lisitry ny TIM Ravalomanana tarihan’i Mamy Rakotoarivelo. Dia nilaza ny hanomana ny fifidianana hatrehana aorian’ny 12 volan’ny tetezamitan’ny firaisam-pirenena raha haingana indrindra. Ahitana fivoriana tsy tapaka noho ity lisitra parlemantera ity moa eny Tsimbazaza sy Anosikely eny ankehitriny na dia mbola miato aza ny fivoriambe ara-potoanan-dry zareo. Tao amin’ny Lapa maitso Anosikely manokana omaly dia tazana nivory manao an-kisisika niaraka tamin’ny mpikambana TGV ireo CT sy CST ary mpitantana hafa ao amin’ny TIM Raharinaivo. Noho ity resaka fikatsahan-toerana parlemantera ity dia nifidy ny hangina tsy haneho hevitra avokoa ny ankamaroan’ireo tompon-toerana teo aloha sao dia ho anisan’ireo voailika tampoka amin’ny fotoana farany. Ireo te-hiditra indray matahotra ny tsy hahazo toerana ka mitandrina amin’ny teny avoaka.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT