Ny 5 febroary ho avy izao amin’ny 12 alina no ho tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny antenimieram-pirenena. Ny filoha ankehitriny ihany koa, dia efa nanambara ny 1 aogositra 2018 fa hofoanany ny antenimerandoholona.
Mila fitsapankevi-bahoaka sy fanovana lalàmpanorenana anefa izany. Hiteraka fahabangana lehibe amin’ny andrim-panjakana ny fahalanian’ny fe-potoam-piasan’ny antenimieram-pirenena, kanefa tsy misy aloha lalàna mazava mamaritra ny fanapahan-kevitra tokony horaisina toy ny fanalavana ny fotoam-piasana. Any amin’ny andininy faha-104 amin’ny lalàmpanorenana kosa no mamaritra ny fahafahan’ny filoha mampanan-kery lalàna sy mandray fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny lalàna any amin’ny filankevitry ny minisitra. Misy fe-potoana voafaritra hahafahana manao izany, dia ny mandritra ny fahabangan’ny andrim-panjakana mpanao lalàna, izany hoe: mandra-pahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka. Mila ny antsasamanila maherin’ny mpikamban’ny antenimieram-pirenena anefa no mandany ny tolo-kevitra manome zo feno ny filohany, ka izay no antony nampiantsoan’ny filoha nandritra ny filankevitry ny minisitra fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena. Hiainga indray ve ny resaka malety sy volabe tahaka ny fampandaniana ny lalàm-pifidianana tamin’ny volana aprily 2018 nitarika tamin’ny tolon’ny fanovana ? Maro ny zavatra tian’ny mpitondra hokitihina ao anatin’ny lalàm-pifidianana mahakasika ny fitsapankevi-bahoaka, solombavambahoaka ary ny fifidianana amin’ny ankapobeny. Ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa dia tsikaritra ho misy tetika tiana hatao indray ao, toy ny fanorenam-paka ny fanjakana afaka hifehy ny rafitra rehetra aloha mba hampandresena ny kandidam-panjakana. Raha hiverenana ny tamin’ny 2013, dia vitan’ny CENIT ny nikarakaraka ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoha sy fifidianana depiote fa ny amin’ity anefa tsy mbola misy tokotaniny. Mbola tetikady politika kotrehina sy tiana hapetraka ao, raha dinihina ny zava-misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.