Politique

Fanovana lalàmpanorenana Tsy mety io, hoy Ravalomanana


  • Talata 03 Oktobra 2017

Nanatrika ny fanamarihana ny fahaleovantenan’ny Repoblikan’i Alemaina teny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka i Marc Ravalomanana omaly 2 oktobra. Ara-tantatra, ny 30 septambra 1991 nirodonan’ny rindrin’i Bérlin,

  ka nampitambatra ho iray indray ny firenena Alemana. Nilaza ny heviny momba ny fikasan’ny fanjakana hanova lalàmpanorenana izy nandritra ity fotoana ity. Tsy miombon-kevitra amin’izay aho, hoy izy. Alohan’ny hidiran’ilay filoha vaovao izay lany no mampifanaraka ny politika amin’ny fampandrosoana ny firenena izay hitondrany azy ny fanovana lalàmpanorenana, raha ny fanehoan-keviny. Marina fa manana zo amin’izany izy fa tsy ao amin’ilay famaranana azy, ary faharoa manaraka izany, dia hitanareo tsara fa ny olona rehetra na ny firaisamonim-pirenena, mpanao politika, vondrona iraisam-pirenena, isam-batan’olona samy manda. Heverina ve fa mety izany hoe tsy hijanonana 30 na 60 andro ve no hanovana an’io, hoy Marc Ravalomanana. Tsy aleo ve aloha mijanona amin’io dia ho hita eo avy eo? Tsy fanao izany ary tsy mety raha izao no hanaovana izany, ary izao ihany koa mino fa tsy hisy io, hoy hatrany izy. Nametra-panontaniana ny tenany hoe ianareo ve mieritreritra fa amin’izao fahasahiranana amin’ny fisian’ny pesta izao no hisian’izany? Ny tompon’andraikitry ny pesta dia ny fahantrana sy ny loto. Amin’ny maha mpanolontsaina manokanan’ny kaominina, dia moa ve mba tena nomena ireny kaominina ireny, tsy ny eto Antananarivo ihany, fa ny kaominina Toamasina ohatra, ny fanampiana tokony ho azy izy hahafahany manadio ny lakandrano. Moa ve eto Antananarivo dia ny kaominina tanteraka no misahana ny fanadiovana, amin’ny alalan’ny SAMVA sa ny Minisiteran’ny rano sy ny jirama? Tena mazava mihitsy izay, tsisy ahilikilika mihitsy io fa raha ohatra ny SAMVA eo ambany fifehezan’ny kaominina Antananarivo, dia madio io ao anatin’ny herinandro, hoy I Marc Ravalomanana, saingy eo ambany fifehezan’ny Minisiteran’ny rano, ny governemanta manontolo sy ny Jirama ny SAMVA. Marina fa misy ny pesta fa azo iadivana tsara raha madio ny tanàna. Raha tonga ny fanampiana homena ireo kaominina, ary tsy milaza mihitsy aho hoe Antananarivo ihany, fa io mihanaka vetivety. Izao izao vao avy any Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana hoe mahazo fanampiana ve sa tsia, far aha izao no hanontaniana dia tsia ny valiny, hoy I Marc Ravalomanana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT