Politique

Fanovana lalampanorenana Fanolorana ny soson-kevitry ny rehetra no vahaolana


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Tena tsy mazava amiko mihitsy, hoy ny depiote Théophile Christian avy amin’ny vondrona parlemantera MMM teo aloha,

 

  izay tena hevitr’ireo mitonona ho antoko mpanohitra amin’ny fivoizana tsy an-kijanona ankehitriny fa hoe : tsy azo kitihana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 iainana amin’izao fotoana izao. Sao hadinon’izy ireo anefa fa ny fomba fitenenana Malagasy manao hoe : izay miova Andriana, miova sata ?  Mahagaga, hoy ity depiote ity, fa izy ireo indrindra tamin’ny fotoana nahalany ho filoham-pirenena an’i Hery Rajaonarimampianina no nikiakiaka hoe hovao hovao fa tsy izy io lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 io nefa ankehitriny nanjary niova hevitra fotsiny teo. Ny tena mahagaga ahy indrindra aza, hoy izy, dia ny nasahian’Atoa Hajo Andrianainarivelo filohan’ny MMM nilaza am-pahibemaso fa tsy tokony ho filoha izany mihitsy  i Hery Rajanaonarimampianina ary  loza  inona no ambarany fa hiseho eto amin’ny firenena raha kitikitihana io lalàm-panorenana io ? Sao dia tsy zakany kosa, hoy aho, ny nialan’ireo depiote 17 tsy ho anisan’ny vondrona parlemantera MMM intsony ? Ambarako, hoy ny depiote Théophile, fa olona mahitsy ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina matoa nalaina ho ao anaty fitondrana avokoa rehefa mety antoko misy eto amin’ny firenena. Avelao izy hiroso amin’ny fanovana tiany hatao amin’io lalàm-panorenana io fa tokony hanolotra soson-kevitra kosa ny antoko rehetra ara-dalàna sy ireo fikambanana samihafa eny fa hatramin’ny olon-tsotra Malagasy aza ka tokony hijoroan’ny rehetra ny fomba hampiharana marina ny andininy faha--54 manome vahana ny “majorité parlemantaire” hanendry ny Praiministra hitantanana ny governemanta.

Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT