Mbola miteraka adihevitra etsy sy eroa hatramin’izao ilay fanirian’ny fitondrana HVM hanitsy ny lalampanorenana, ka voaresaka manokana ny fikitihana ilay andininy faha-46 momba ny fe-potoana tsy maintsy hametraham-pialan’ilay filoha am-perinasa raha toa ka kandida izy.
Voalazan’io andininy io mantsy fa mametra-pialana 60 andro mialoha ny daty hanatanterahana ny fifidianana ny filoha am-perinasa. Manambara koa anefa ny andininy faha-52 fa ny filohan’ny antenimierandoholona no misolo toerana ny filohan’ny repoblika raha misy ny fametraham-pialany na tsy fahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany aorian’ny fanamarinan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fahabangan’ny toeran’ny filoha. Raha kandida i Hery Rajaonarimampianina dia tsy maintsy mametra-pialana ka i Honoré Rakotomanana no hisolo toerana azy mandrapahavitan’ny fifidianana sy hanaovan’ny filoha vaovao fianianana. Raha ny fanambaran’ny filoha teny Iavoloha ny 16 septambra teo sy ny fanamafisana nataon’ireo olon’ny HVM anefa dia tsy marisika amin’io andininy iray io ny manampahefana ankehitriny Ambaran’izy ireo ihany koa fa tery loatra ilay fe-potoana hanatanterahana fifidianana (30 ka hatramin’ny 60 andro) ka tokony hohalavaina. Izay tokoa ve no tena marina sa ny mpitondra mihitsy no malaina hamotsotra ny fahefana eo am-pelatanany ? Mandroso hevitra ny mpahay lalàna Sahondra Rabenarivo, mpikambana ao amin’ny Sefafi fa azon’ny CENI mpikarakara ny fifidianana atao tsara ny miezaka miasa haingana amin’izay voaangona ara-potoana ny voka-pifidianana. Tsy aleo ve ampiasaina hividianana fitaovana hahamatotra sy hampangarahara kokoa ny fifidianana filoham-pirenena ny vola toy izay holaniana amin’ny fikarakarana fitsapan-kevi-bahoaka hanitsiana ny lalàmpanorenana. Zavatra izay efa tsikaritra dieny aty am-piandohana fa tsy eken’ny maro ary azo antoka fa hiteraka savorovoro eto. Ankoatra izay, ny fanamafisana ilay fampihavanam-pirenena mialoha ny fifidianana manaraka no laharampahamehana kokoa noho ny fanovana lalàmpanorenana izay paikady mety hanome tombony ny kandidam-panjakana ka hitarika fanoherana voka-pifidianana ka hampisavoritaka eto indray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.