Tsy zakan’ny fanitsiana (revision) fotsiny intsony, hoy ny mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson, ny lalàmpanorenana vaovao eto Madagasikara raha toa ka irosoana ireny vina nolazain’ny filoham-pirenena vaovao ireny.
Anisan’izany ny fandravana ny antenimierandoholona sy ilay fametrahana governora miisa 23 sy fanovana ny faritra ho 23. Tsy azo ihodivirana ny fanovana ifotony ny lalàmpanorenana. Tokony hisy fihaonambem-pirenena mihitsy hanontaniana ny Malagasy ny lalàm-panorenana mety aminy. Na aorian’ny fanitsiana fotsiny aza dia tsy maintsy hisy fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy aleo ve ovana ifotony mba haharitra an-taonany maro, ? Ny an’ny olona lalàm-panorenana efa hatramin’ny 1757 tsy miova ihany hatramin’izao, hoy hatrany ity mpahay lalàna iraisampirenena ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.