Politique

Fanovana Governemanta Minisitra 20 mihozongozona seza


  • Alarobia 04 Janoary 2017

Alefa miandalana fa tsy tonga dia ho faobe ny fanoloana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly raha ny resaka re farany

.Handeha tsikelikely arak’izany ny fanesorana na famindrana andraikitra hatao an’ireo minisitra ary ny fiandohan’ny volana febroary no voatondro fa mety hitrangan’ny fanovana voalohany.Minisitra 12 mianadahy aloha hatreto no fantatra fa tsy ho voakitikitika ary ho tafajanona ihany ao anaty governemanta dia Rtoa sy Atoa isany Narson Rafidimanana (Fanajariana ny tany), Atallah Béatrice(Raharaham-bahiny), Rivo Rakotovao(Fambolena sy fiompiana), Pr Lalatiana Andriamanarivo (fahasalamam-bahoaka), Paul Rabary(fanabeazam-pirenena), Gal Herilanto Raveloharison (Toekarena), Onitiana Realy(Mponina), Ndahimananjara Johanita(Tontolo iainana), Roland Ratsiraka(Fizahan-tany), Ramanantsoa Ramarcel Benjamina(fitaterana), Eric Razafimandimby(Asa vaventy), Jeneraly Paza Didier (Zandarimariam-pirenena).

Midika izany fa misy minisitra 20 hafa efa azo atao hoe mihozongozona seza ihany, mety ao moa ny antony ara-teknika fa eo ihany koa ny antony ara-politika amin’ny fanovana mpikambana anaty governemanta.Mazava ho azy fa miongotra avy hatrany izay minisitra tsy nahavita asa araka ny toromarika nomena azy ; fa tsy maintsy jerena ihany koa anefa ny lanja politikan’ilay ministra io ary efa fanao n’aiza n’aiza izany.Tsy voatery hoe rehefa avy amin’ny antokon’ny fitondrana dia tsy ho voadaka mihitsy ; ho fantatra miandalana eny ihany moa araka ny fivoaran’ny toe-draharaha ny momba ioty fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ity fa hatreto aloha izany dia efa ratsiratsy toerana ihany izay minisitra tsy voatonona anarana etsy ambony tahaka ny minisitry ny vola, ny minisitry ny filaminana anatiny, ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony…Efa tsy takona afenina ihany koa anefa, araka ny efa notaterina teto ihany ny tsy fifankazahoana eo amin’ny samy mpikambana ao anatin’io governemanta Solonandrasana io ary manomboka efa misy akony any amin’ny asa ilay izy ka noho izany tsy maintsy hikaroka vahaolana ny filoha sy ny praiminisitra.Sao mantsy ny ady an-trano amin’ny samy mpitantana indray ny hampikatso ny fivoahan’ilay famatsiam-bola be nampanantenaina tany Paris.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT