Politique

Fanovana governemanta Miankina amin’ny filoha sy ny praiminisitra


  • Alatsinainy 18 Janoary 2016

Miankina amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny mety hisian’ny fanovana ny governemanta ankehitriny, hoy ny depiote voafidy tany Moramanga, Randriamahefa Henri Charles.

 

 Raha hisy ny minisitra hotendrena senatera dia tsy azo hihodivirana ny fanovana. Ny hevitry ny maro koa anefa dia mirona amin’ity fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta ity saingy tsy izy rehetra kosa angamba fa tena misy ny nahatanteraka ny “mission” nampanaovina azy tamin’izy ireo fa anjaran’ny filoha sy ny praiminisitra no mitsara ny asa vitan’izy ireo avy. Eto dia mamelà ahy hiteny zava-misy mampahonena any amin’ny faritra misy anay any amin’ny distrikan’i Moramanga any. Fantatra ary izao fa efa mizaka ny tsy eran’ny aina ny fonjan’i Moramanga noho ny fampidirana am-ponja an’ireo olona tratra nanao voly tavy any amin’ny faritra. Raha voafonja 400 no zakan’ity fonja ity dia efa mananika ny 500 mahery ny ao amin’izao noho ireo tantsaha nosamborin’ny mpiandry ala sy ny zandary fa nanao voly tavy ireo avy amin’ny hafatry ny praiminisitra ny tokony hampijanonana ny doro ala sy hisamborana ireo manao izany. Eto aho, amin’ny maha solombavambahoaka ahy dia mangataka ny hamotsorana ireo tantsaha voarohirohy tamin’ny voly tavy ireo fa mitovy amin’ny ireo mpandoro ala any Alaotra, Anjozorobe, Ankazobe sy any Fenoarivobe sy Tsiroanomandidy ihany izy ireo ary misy mpianatra ao anatiny. Efa nambarako tamin’ny minisitry ny fambolena, hoy ity depiote, ity fa tsy afaka manao tahaka ny any Antsirabe izay mampiasa tany volkanika tsy mila asa tany sy fanaovana tavy ny any Moramanga. Tsy misy fambolena mifandimbidimby manamasaka ny tany koa any an-toerana, hoy izy, ary ilay tetikasa fambolena fary novatsian’ny banky iraisam-pirenena vola tamin’ny taona 2000 aza mba hahazoana ethanol ary efa nananganana ozinina any Ranomafana-Atsinanana dia tsy natosiky ny governemanta ankehitriny akory ary tsy notohizany mihitsy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT