Politique

Fanovana governemanta Mampivanitika ny filoham-pirenena


  • Alatsinainy 22 Febroary 2016

Lasa tahaka ny tantara mitohy ny fanoloana governemanta sy fanoloana ny praiminisitra eto amintsika.

 

 Ny sabotsy lasa teo, raha nitsidika ny orinasa Fanalamanga tany Moramanga ny filoham-pirenena dia nanontanian’ny mpanao gazety ny momba ilay resaka fanovana ny governemanta. Sady nivanitika no somary niala bala ingahy filoha. Mbola ho avy ny fotoana, hoy izy. Mazava izany eto aloha fa efa mieritreritra hikitika io governemanta io ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny mahamaika ny rehetra dia ny hoe : mbola hotazonina amin’ny toerany ve ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ? Inona no ambadika fonosin’ilay hoe :  « mbola ho avy ny fotoana ? Midika ve izany fa mbola mandeha ny fifampidinihana sy ny fifandresen-dahatra ? Sa misy zavatra tsy milamina ? Misy midongy seza tsy manaiky hoesorina araka ny feo mandeha efa ho roa herinandro izao ve ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT