Lasa tahaka ny tantara mitohy ny fanoloana governemanta sy fanoloana ny praiminisitra eto amintsika.
Ny sabotsy lasa teo, raha nitsidika ny orinasa Fanalamanga tany Moramanga ny filoham-pirenena dia nanontanian’ny mpanao gazety ny momba ilay resaka fanovana ny governemanta. Sady nivanitika no somary niala bala ingahy filoha. Mbola ho avy ny fotoana, hoy izy. Mazava izany eto aloha fa efa mieritreritra hikitika io governemanta io ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny mahamaika ny rehetra dia ny hoe : mbola hotazonina amin’ny toerany ve ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ? Inona no ambadika fonosin’ilay hoe : « mbola ho avy ny fotoana ? Midika ve izany fa mbola mandeha ny fifampidinihana sy ny fifandresen-dahatra ? Sa misy zavatra tsy milamina ? Misy midongy seza tsy manaiky hoesorina araka ny feo mandeha efa ho roa herinandro izao ve ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.