Matoam-baovao mbola mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao ny fanotofana tany eny amin’ny «Marais Masay».
Voatsikera manokana tamin’izy io moa ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nitondra fanazavana mikasika ity raharaha ity ny tenany sy ny mpanolotsaina manokana Randriatiana Henri nandritra ny fidinana ifotony teny Ankazomanga sy ny manodidina omaly. Nanamarika ny ben’ny tanàna fa nampihatra ny fitohizan’ny raharaham-panjakana niseho tamin’ny taona 2008-2009 no nataon’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ankehitriny. Efa nisy ny fanomezan-dalana avy amin’ireo minisitera maromaro avy amin’ny fanjakana foibe sy ny Apipa tamin’izany vao nisy ny fankatoavana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Asa izay efa tontosa hatramin’ny 50% tamin’ny fampiatoana natao ny volana oktobra 2015, araka ny fanampim-panazavana fanamarihana. Miantso fifanatonana sy fifampidinihana amin’ny olana mety hitranga hatrany moa i Neny amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny tanàna renivohitr’i Madagasikara azy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.