Politique

Fanotana ireo bileta tokana Ho vita anio 12 novambra


  • Talata 12 Novambra 2019

Ho vita tanteraka anio 12 novambra ny fanotana ireo bileta tokana ilaina sy ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina izay atao ny 27 novambra ho avy izao,

 

 

 raha ny tetiandro napetraky ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni sy ny tranomprintim-pirenena.  Miisa 11 tapitrisa moa ireo bileta natota ary efa naparitaka tany amin’ny faritra kosa ireo efa vita. Araka ny fanazavana voaray, efa eo am-pamitana ireo bileta tanteraka ny tranomprinty ary miasa andro aman’alina ireo mpiasa.  Hafa ny bileta tokana natokana ho an’ny ben’ny tanàna ary hafa ny an’ny mpanolotsaina, hoy ny fanazavana voaray. Samy manana ny mampiavaka azy kosa ireo bileta natota. Marihana fa ny an’ny faritra Analamanga no natota farany ny bileta, hoy ny teo anivon’ny tranopirintim-pirenena.

 Sitraka r.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT