Na eo amin’ny sehatra iraisampirenena na eo imason’ireo mpanara-baovao sy ireo malagasy marobe izay miha sahirana andro aman’alina dia hita ho miha ratsy endrika hatrany ny fitondram-panjakana Malagasy,
indrindra taorian’ny fandaniana tamin’ny fomba tsy mendrika teny amin’ny antenimieram-pirenena ilay lalàna mifehy ny serasera iny. Samy nanameloka azy iny avokoa ny ankamaroan’ireo sehatra iraisam-pirenena sy mpikirakira vaovao manerana izao tontolo izao. Nampiray feo tamin’ny mpanao gazety malagasy tamin’izany ireo mpanao gazety vahiny miasa eto amintsika na ny « Reporters Sans Frontière » sy ny « Union de la Presse Francophone ». Mbola nanainga ireo tompon’andraikitra mahefa mba hiverina hanitsy haingana ireo andininy maromaro izay ahiana hahafaty ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo. Nanao fanambarana ihany koa ireo vondrona politika maro ny sabotsy teo fa dia tsy vitan’ny manao amboletra ny fanondranana ireo harem-pirenena ny fitondrana amin’izao fotoana izao fa mbola manao amboletra manampim-bava ny malagasy ihany koa ary dia nitaky ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena mihitsy moa ireto farany.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.