Hafahafa ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Dradraina sy atao litania ny fanajana ny tany tan-dalŕna, ny mifanohitra amin’izay anefa no miseho. Ny mahagaga dia ny fahanginan’ny Malagasy manampaizana sy ireo mpahay lalŕna.
Mbola misy lalàmpanorenana ve eto, hoy Randriamamizafy Ignace, mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, mametra-panontaniana manoloana iny fanendrena praiminisitra iny ? Mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana hoy izy fa taratasy ifampitana no fomba ifandraisan’ny filohan’ny Repoblika sy ny solombavambahoaka, nefa mahagaga ny ahitana vatan-tenana depiote niisa 16 lahy, notarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max tonga tao amin’ny Lapan’Iavoloha ny tolakandron’ny alahady 10 aprily, nanolotra lisitr’anarana ho praminisitra tamin’ny Filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery. Mazava ihany koa ny voalazan’ny andalana voalohany amin’ny Andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana milaza fa « Ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena ». Tsy misy filazana fa filohan’ny vondrona parlemantera, ka fisolokiana andraikitra raha filohana vondrona parlemantera no manao sonia eo amin’ny toeran’ny filohan’antoko na vondron’antoko manolotra anarana ho praiminisitra. Ny andalana faharoa amin’io Andininy faha-54 io ihany no milaza fa « Ny Filohan’ny Repoblika no mampitsahatra ny Praiminisitra amin’ny asany, aorian’ny fanolorany ny fametraham-pialàn’ny Governemanta, na vokatry ny fahadisoana goavana, na noho ny tsy fahombiazana azo tsapain-tànana ». Zoma 8 aprily, namoaka didim-panjakana ny filohan’ny Repoblika milaza fa nekeny ny fametraham-pialan’ny praminisitra sy ny Governemanta notarihiny. Io andro io ihany anefa dia nandà ny fisian’izany ny praminisitra Ravelonarivo Jean. Nilaza moa izay fa hataon’ny amin’ny fotoana mampety azy ny taratasy fametraham-pialany. Ny alahady 10 aprily no nanatanterahany izany rehefa niangaviana izy. Io andron’ny alahady io dia nihazakazaka teny amin’ny Lapan’Iavoloha ireo andiana solombavambahoaka notarihin’ny filohany Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max nanatitra lisitra kandida ho praiminisitra. Ora vitsy taorian’izay, io alahady io ihany, dia nivoaka ny didim-panjakana vaovao, manendry an’Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier. Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe : fa nivalona ho tantara angaha ilay « Pacte de responsabilité » nodidian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, tsy hifanonganan’ny samy andrimpanjakana hisian’ny fitoniana. Ny mahagaga ao anatin’izany rehetra izany dia mangina tsy andrenesam-peo ny Malagasy manampaizana sy ny mpahay lalàna.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.