Tsy maintsy mirona any amin’ny resaka solombavambahoaka amin’izao fotoana izao, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Faneva de Madagascar pour le Developement et la Démocratie (FMDD) tarihin’ny filohany, Rochel Rafanomezantsoa.
Natao hanao lalàna ny solombavambahoaka fa tsy natao hampanantena zavatra hafa na hanao fotodrafitrasa, hoy ny tenany. Miisa 6 eo ny kandida harotsakay ary tsy maintsy mandray anjara izahay satria ilaina ny fanorenana ifotony ny lalàna. Antony hilatsahana depiote io. Mino izahay fa ny vahoaka no hifidy ka miantso ny vahoaka mba hijery ny anarany anaty lisitra sy hanitsy ny tsy mety. Mihisatra ny fanendrena governora ka mino izahay fa hofidiana hatramin’ny filoham-pokontany. Hifanenjika eto foana ve moa, hoy ny tenany, fa efa hita mba miezaka ny CENI sy ny HCC ka ho hita eo ny tohiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.