Miteraka resabe ahiana hiafara amin’ny disadisa ara-piarahamonina ny tetikasa fanorenana hopitaly manara-penitra ao Manakara ataon’ny FAT.
Amin’ny toerana atao hoe Emokala no voatondro hanaovana azy io. Fianakaviana am-polony maro anefa no miorim-ponenana ao efa hatry ny ela, nefa dia tratry ny amboletra ankehitriny, nesorina amin’ny tany navelan’ireo Ray sy Dadabe ho azy ireo. Raha ny fanazavan’ny mponina ao Emokala dia efa tany amin’ny taona 1938 no nanomboka nonina teo ny sasany amin’izy ireo, nisy koa ny andiany tonga tamin’ny taona 1958, ary tamin’ny taona 1973 ny faramparany tamin’izy ireo. Araka ny fantatr’izy ireo dia nomena ireo mpiasan’ny hopitaly tamin’izany fotoana io tany io mba ahafahany hipetraka sy honina milamina tsara ary izay afaka mamolaka ny tany dia nanao. Ankehitriny anefa dia ailika tsy misy fijerena ny maha izy azy ireto olona ireto.
«Toy ireo olona rehetra afaka nividy tany tamin’izany fotoana izany izahay», hoy ity lahiantitra iray izay nanatona anay teo am-panaovana fanadihadiana. Malahelo izahay, hoy izy amin’ny afitsok’ireto mpitondra ireto fa dia fandrahonana amin’ny fitrongisana ny toeram-ponenanay amin’ny «bulldozer» no atao ny mponina ety. «Nomena tany ipetrahana izahay saingy tany karankaina no nomena anay fa ny tsaratsara dia efa lasan’ireo sasantsasany tsy lazaina anarana eto». Mazava ny tenin’ireto voailikilika ireto : hatramin’izao aloha dia tsy manana eritreritra ny hiala ny tany izy ireo na dia hisy «bulldozer» hitrongy ny tranon’izy ireo. Tokantrano valopolo eo no mipetraka amin’ity toerana ao Emokala hanorenana hopitaly manara-penitra ao Manakara ity.
Sary: Izao no sisa amin’ireo nisasaran’ireo ray aman-dreny nandritra ny taona maro ao Emokala Manakara
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.