Politique

Fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana Tsy dia marisika firy ny olona


  • Zoma 05 Janoary 2018

Mbola tena ambany be ny tahan’ny fahavitrihan’ny olona hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana ary ambany manarak’izany ny olona vaovao voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana, hoy ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo.

Tena tsy tratra ny tanjona napetraka raha ny tetiandro no jerena satria raha mpifidy vaovao 780 000 no tokony hanampy ny efa misy ka mahatonga ny mifidy rehetra manerana ny nosy ho 10 tapitrisa eo ho eo dia tsy misy afa-tsy 320 000 no mpifidy vaovao voasoratra any anaty lisi-pifidianana manerana an’i Madagasikara; izany hoe tsy antsasaky ny tanjona napetraka akory, hoy ny filoha lefitry ny CENI.Nambarany ho anton’izany moa ny tsy fahampian’ny fipariahan’ny vaovao sy ny fanentanana, ny tsy fahampian’ny hetsika fanabeazana ny olom-pirenena momba ny fifidianana ataon’ny firaisamonim-pirenena, ary eo ihany koa ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any amina toerana maro manerrana ny nosy ka mahatonga ny olona tsy marisika hamonjy biraom-pokontany sy tsy hivaky loha tsotra izao amin’izay resaka fifidianana.Toa manaporofo koa anefa izao tranga izao fa tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny asany ny CENI eo amin’ny fanomanana ara-teknika ny fifidianana, indrindra ny momba ny lisi-pifidianana satria eo aloha ity hoe misy olona mpifidy vaovao tsy voasoratra, fa misy koa nyefa mpifidy teo aloha no tsy hita tampoka ao anaty lisitra, izay tena mahagaga satra olona nandray anjara tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka farany tamin’ny 2013.Hifarana amin’ny 31 janoary izao moa ny fanoratana ny anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana.Milamina ny fifidianana rehefa voarafitra milamina ny lisi-pifidianana, azo antoka fa hikorontana kosa raha ny mifanohitra amin’izay no mitranga.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT