Taorian’ny toe-javatra nitranga teto amin’ny firenena tamin’ireny fanovana governemanta farany teo ireny dia fantatra izao, araka ny vaovao marim-pototra voaray,
fa mikononkonona fametraha fitsipaham-pitokisana hanesorana amin’ny toerany ny Praiminisitra Ntsay Christian ry zareo eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny ka arak’io vaovao voaray io dia efa nahangona sonia miisa 71 ilaina amin’izany ireo depioten’i Madagasikara ankehitriny. Raha io isa io no raisina dia azo antoka fa misy ampahana solombavambahoaka avy amin’ny IRD maromaro tafiditra ao amin’ity fanaovan-tsonia ity. Raha halefa lavidavitra kely ny famakafana dia mety ho azo antoka ny fahazoana ny fetr’isa 2/3 ilaina amin’izany fitsipaham-pikisana ataon’ireo depiote izany amin’ny volana mey 2020,fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity, ary hahazoana hanaovana fankatoavana na tsia an’izany fitsipaham-pitokisana izany. Marihana fa ankoatra an’ireo depiote miisa 83 mpikambana ao amin’ny vondrona parlemantera IRD ankehitriny izay mety ho mbola maro ireo hanampy ny isa dia mbola misy koa an’ireo depiote ao amin’ny vondrona parlemantera GPR “Groupe des Parlementaires Républicains” miisa 21 sy vondrona parlemantera TIM miisa 16 izay tsy azo atao tsinontsinona mihitsy. Arahan’ny maro akaiky tokoa ity toe-draharaha ity arak’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.