Misavorovoro indray ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Mampiaka-peo ireo depiote, indrindra ireo mpomba ny fitondrana Rajaonarimampianina.
Malahelo ihany koa noho ny fihetsika asehon’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Izy natao handamina ny raharaha indray, hoy izy ireo, no manakorontana ny zava-misy eto amintsika. Porofon’izany ny fametrahany fihetseham-po eo amin’ny fanaovana politika ka nanendreny an’ireo olona tsy nametraka sy nanohana ny filoha Rajaonarimampianina teo amin’ny fitondrana akory eo anivon’ny loholona sy ny governemanta tarihiny. Ao amin’ity farany aza dia ahitana minisitra tena tsy mandray andraikitra mihitsy eo amin’ny zava-misy iainana ankehitriny. Azo ambara, hoy ireto depiote ireto, fa tena manipy hoditr’akondro tsotra izao ny filoham-pirenena ny praiminisitra. Nanapa-kevitra noho izany ireo solombavambahoakan’i Madagasikara fa hametraka ny « motion de censure » na fitsipaham-pitokisana ny governemanta ka efa nahangona sonia 34 isa izy ireo omaly alakamisy 25 oktobra 2017 ary lohalaharana ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka. Mialoha ny tena hametrahana an’izany anefa dia mbola hangataka hihaona amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izy ireo. Raha toa ka lanin’ny 2/3 n’ny solombavambahoaka eny amin’ny antenimierampirenena ity fitsipaham-pitokisana ity dia tsy maintsy mametra-pialana ny governemanta ary miverina indray ny fanendrena praiminisitra sy minisitra araka ny voatondron’ny lalàmpanorenana sy ireo lalàna manankery eto amin’ny firenena.
Légende :Loharaharana amin’ny fanaovana motion de censure eny Tsimbazaza ny depiote Nicolas Randrianasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.