Politique

Fanonganana ny governemanta 51 ny sonia voaangona eny Tsimbazaza


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Heno teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly zoma 27 oktobra tamin’ny fiandohan’ny tolakandro fa niampy 17 indray ny sonian’ireo depiote voaangona hangataka ny « Motion de Censure » na fitsipaham-pitokisana ny governemanta

 Malagasy ankehitriny, efa nisy 34 teo alohan’io izany hoe mahatratra 51 izany ny sonia voaangona hatry ny omaly zoma. Nomarihan’ireo tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana teny an-toerana fa ny tsy fahombiazan’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny minisitra maro ao anatin’io governemanta tarihany io. Mahagaga anefa, hoy ihany ny fanamarihana azo, fa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina foana no voatsikera ombieny ombieny na an-gazety aza fa ny praiminisitra filohan’ny mpanatanteraka tsy mba voatonontonona mihitsy. Mbola nomarihan’ireto solombavambahoaka teny Tsimbazaza ireto fa tsy hijanona mihitsy ny fanangonan-tsonia hatao raha tsy feno ny fetr’isa ilaina amin’izany.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT