Politique

Fanonganam-panjakana Mitohy hatrany ny fandrahonana


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Nohamafisina ny fiambenana ny fonja rehefa mahazo fandrahonana saika efa ho isan-kerinandro ireo lehiben’ny fonja tsirairay avy.

 Torak’izany ihany koa, mitohy hatrany ny fivorivoriana miaramila etsy sy eroa. Tsy mbola mandry ihany koa ny ambany tanàna saingy miandry fotsiny ny mety ho valin’ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana na hamonja ny filohan’ny antoko Favoria na tsia rahampitso zoma vao handray fepetra. Inona daholo ny dikan’ireo ? Hatreto aloha dia hita soritra fa mitohy hatrany ny fikasan’ny sasany hanongam-panjakana. Ireo toe-javatra voalaza etsy ambony ireo ihany dia efa afaka manamarina an’izany.

Raha ny momba ny fonja manokana dia nisy indray ny feo fa nisy ny fikasana hamoaka ireo manamboninahitra maro tazomina ao rehefa voarohirohy saika hanongam-panjakana. Ny talata teo no nisy feo nandeha fa hanatontosana an’izany. Rehefa mandeha mialoha anefa ny feo dia midika ho tsy misy izay. Na izany aza, hita fa nivezivezy teny amin’ny toerana misy ny fonja ihany ny mpitandro ny filaminana maro mba hanamafy ny fiarovana. Midika izany rehetra izany fa tsy hay mihitsy izay mety ho avoaky ny ampitso. Ny kung-fu koa etsy andanin’izany efa mikononkonona mangina. Ny mpiasam-panjakana, miandry “top” fotsiny. Ny sasany anefa mbola mihizingizina amin’ny fanasoniavana sori-dàlana izay tsy mety hiaraha-manaiky mihitsy no mahamaika azy…

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT