Vao mitsidika ny volana mey dia mafampana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Hetsi-bahoaka atsy
, grevy aroa, fitakiana ary. Etsy an-kilany dia miatrana ny toby miaramila samihafa nanomboka iny faran’ny herinandro iny. Nahetsika ny Fanjakana ny Emmoreg, nisy ny fisamborana olona teny Andohanimandroseza. Mandeha ny feo fa harahi-maso akaiky ihany koa izao ny Senatera Lylison René de Rolland taorian’ny sakoroka nitranga teny Andohanimandroseza ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika, mpitari-tolona, ary mpandraharaha samy fantadaza no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, raha araka ny vaovao azo teny an-toerana. Vao nitranga anefa izay dia nisy olona maromaro naneho ny hatezerany. Tsy nanaiky mora ny fisamborana ka raikitra ny sakan-dalana. Vetivety dia vory ny olona teo Andohanimandroseza ny alin’ny sabotsy. Tonga teny an-toerana ny Emmoreg ary nampiasa ny baomba mandatsa-dranomaso nanokafana ny lalana. Nisy ny sakoroka. Nisy polisy iray naratra teo amin’ny lohany voatora-bato. Nisy olona telo hafa nosamborina tao anatin’izany saingy omaly ihany dia navotsotra izy ireo. Fanahiana fikonokononana fanonganam-panjakana no re fa antony nisamborina ireo olona telo tany am-boalohany, ary anaovana famotorana eo anivon’ny zandary. Nisy ihany koa ny fisavana ny findain’ireo olona ireo mba hahafantarana izay mety ho mpanao politika miray tendro amin’izy ireo. Sarotra ny fanamarinam-baovao satria dia mihidy avokoa omaly rehefa mety ho loharanom-baovao tsy arakaraka ny fampanantenana nataon’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier tamin’ny fihaonany tamin’ireo tompon-gazety teny Mahazoarivo, herinandro taorian’ny nanendrena azy ho amin’io toerana io. Ny tsikaritra dia miatrana avokoa, hatramin’ny alin’ny zoma teo, ny toby miaramila rehetra eto an-drenivohitra.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.