Politique

Fanonganam-panjakana 2009 Niakatra fitsarana ny fitoriana nataon’ny filoha Ravalomanana


  • Talata 06 Desambra 2011

Nisoko mangina tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy omaly ny fandinihana ny fitoriana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mikasika ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009.

 Fitoriana izay niainga taorian’ny vaky bantsilana sy fijoroana vavolombelona nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina, narahina fitanisana an-tsoratra ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009, nilazany mazava fa fanonganam-panjakana no nisy tamin’iny, ka nanondroany anaran’olona maromaro sivily mpanao politika sy manamboninahitra ambony ho tompon’andraikitra tamin’izany sy ny vola be nentina nanatanterahana ny iraka tamin’izany. Ny volana janoary 2011 no niaingan’io raharaha io, narahin’ny fitoriana nataon’Atoa Marc Ravalomanana teto an-toerana, ka nilazany tamin’izay fa dia matoky ny fitsarana Malagasy sy ny mpitsara Malagasy ny tenany. Narahiny fitoriana napetraka eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena izany. Mihetsika ny dosie teto an-toerana, na dia re aza fa nisy ny tsindry bokotra natao tamin’ny mpitsara mba hiheverana toy ny tsy misy ka tsy handraisana akory ity fitoriana ity. Mazava anefa izao fa dia nijoro ny mpitsara, amin’izy ireo dia tsy tokony ho am-bava fotsiny, fa tokony ho ara-bakiteny ilay fahaleovantenan’ny fitsarana. Na dia nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka aza ny fitsarana dia mazava fa noraisina ary hodinihina ilay dosie. Mendri-piderana ny fahasahiana hijoro toy izany. Namelona ny tsirim-panantenan’ireo manan-draharaha eny amin’ny tribonaly nefa mahatsiaro ho tratry ny tsindrihazolena, indrindra ireo gadra politika, izao toe-javatra izao.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT