Tsy fahalalam-pomba, tsy fanajana lehibe, fandikan-dalàna, tsy fanajana rafitra sy antanantohatra, anisan’ny tarazo navelan’ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009 avokoa ireo.
Saika manondrana daholo ny ankamaroan’ireo mpitondra satria mbola tavela ao an-tsainy angamba ny sarin’ilay lalàmpanorenana lany tamin’ny kara-pokontany tamin’ny fotoan’androny ka toa zary kolontsaina mihitsy ilay tsy miraharaha intsony izay tenenina sy manapatapa-kevitra fahatany manaratsy endrika ny tenany sy mandrora mitsilany. Inona izao no maha samy hafa an’ilay hoe ampidinintsika 2500 ariary ny litatry ny menaka sy 500 ariary ny kilaon’ny vary tsy tanteraka sy ilay hoe afaka 3 volana dia hivaha ny delestazy ? « Tazomy amin’ny vavako aho », hoy ny praiminisitra fa afaka volana vitsy dia ho tratra ny mpanao trafika. Inona akory ny teo ? Nitsako talohan’ny vazana koa iny ny minisitry ny raharaham-bahiny satria « Vice amiral » aza voabaikona mpanongam-panjakana hamindra fahefana taminy. Ny loza dia raiki-tampisaka lasa kolontsain’ny Malagasy ilay mandroba sy manao didin’ny be sandry rehefa tsy afa-po ka tsy mahagaga raha mirongatra ny tsy fandriampahalemana sy fitsaram-bahoaka. Hamono vahoaka ity tarazo ity fa aiza ny dokotera ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.