Politique

Fanonganam-panjakana 2009 Fatiantoka ara-toekarena 8 miliara dolara


  • Alarobia 11 Mey 2016

Tsy marisika hanala mpitondra fanjakana ivelan’ny Lalàmpanorenana intsony ny Malagasy taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009.

 

Fiainana tsaratsara kokoa mantsy no nantenaina kinanjo fatiantoka ara-toekarena, fahasahiranana ara-tsosialy ary fiarahamonina mahantra fadiranovana no setriny, efa-taona sy tapany taty aoriana. Nanodidina ny 5% ny harinkarena Malagasy amin’ny ankapobeny talohan’ny krizy. Niiba 20% anefa ny harinkarena anatiny ny taona 2013 na fatiantoka 8 miliara dolara ho an’ny toekarena Malagasy. Nitombo 2,9% na 3 tapitrisa ny isan’ny mponina teo anelanelan’ny taona 2008 sy 2013. Tsy nihetsika anefa ny fidiram-bola nasionaly ka nampitovy ny vola raisin’ny isam-batan’olona tamin’ny taona 2001. Niakatra 10% mahery kosa ny tahan’ny mponina miaina ambanin’ny 2 dolara isan’andro fetran’ny fahantrana. Mihoatra ny 6 hetsy ihany koa ireo ankizy nandao lakilasy ary mihoatra ny 50% ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra sasantsasany. Nidina ny fidiram-bolam-panjakana raha nahazo vahana ny hosoka ara-ketra. Nilatsaka hatrany amin’ny 30% ny fanampiana ofisialy avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ary niompana tamin’ny fandaharanasa maha olona ny ampahany betsaka tamin’ny tohana ara-bola. Tapaka ny famatsiambola ka potika sy simba ireo fotodrafitrasa momba ny rano sy ny herinaratra ary ny lalana.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT