Matoa nangataka fanemorana ny fandaniana an’ireo volavolan-dalàna fehizoro 3 mikasika ny fifidianana ho amin’ny fivoriana tsy ara-potoana faha-3 amin’ity 2018 ity izahay,
hoy ny depiote Andriamarotia Ludovic avy any Betioky Atsimo, dia tsy tonga mialoha tety aminay ireo tatitry ny asam-baomiera namoahana an’ireo fanitsiana niisa 50 sy fanalana andininy 37 nefa mila fandinihana tsara mba tsy hamahanan-dalitra ny vahoaka. Mikasika ny resaka vola voalaza fa nanambatambazana depiote tamin’io andro talata 20 matsa teny Tsimbazaza io dia tena fanalambaraka ny vahoaka nifidy anay solombavambahoaka ny filazana an’izany ka aoka mba hanome porofo mazava ny nahita an’izany fa tsy hanendrikendrika fahatany izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.