Nanolotra fitaovana mitentina 200 000 dolara na 635 000 000 Ariary ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) mba hanatanterahana ny tetikasa fanamboarana kara-panondro maimaimpoana amin’ireo distrika 119 manerana an’i Madagasikara.
Ny minisiteran’ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana izay tantanan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly moa no notolorana ireto fitaovana ireto omaly. 900 000 ny olom-pirenena vinavinaina fa hahazo kopia nahaterahana sy kara-panondro hatramin’ny 2018 ka tafiditra ao anatin’ny ezaka izao fanampiana izao. Zava-dehibe ny fananana kopia nahaterahana sy kara-panondro satria izay no hahafantarana fa misy ny olona iray, hoy Rtoa Violette Kakyomya. Nohamafisiny fa tena manan-danja ny fanavaozana indray ny lisi-pifidianana andiany manaraka ny 1 desambra ka hatramin’ny 31 janoary 2018 satria io no fanavaozana atao farany mialoha ny fifidianana. Notohizan’ny praiminisitra fa miankina amin’ny fahalavorarian’ny lisi-pifidianana ny filaminana. Ilaina ny kara-panondro sady taratasy tsy maintsy hananan’ny olom-pirenena feno 18 no ho miakatra. Marihina fa tanjon’ny CENI sy ny governemanta ny hamoaka lisi-pifidianana ahitana mpifidy 10 tapitrisa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.