Politique

Fanomezana ho an’ny zokiolona Navakavahana ireo nahazo tao Antsirabe


  • Alarobia 18 Mey 2016

Nizara fanomezana ho an’ireo beantitra tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra ny vadin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny talata 17 mey 2016.

 

 Bodofotsy iray niampy vary 5 kg sy menaka mandry 1 litatra, bisikoitra ary ronono amin’ny boaty isan’olona no nomena ireo vehivavy zokiolona ho fankalazana sahady ny Fetin’ny reny. Zokiolona miisa 310 notsongaina avy amin’ny Fokontany 30 amin’ny 60 misy ao Antsirabe voalohany ihany anefa no nisitraka ny fanomezana. Ny fialana bala nataon’ny Ben’ny tanàna Razanakolona Paul dia antomotra loatra ny fotoana nampandrenesana ny Kaominina hanaovana ny hetsika ka tsy tratra antso ireo Fokontany 30 hafa. Niteraka resabe moa ity fanavakavahana ity. Ankoatra ireo beantitra tao Antsirabe moa dia notolorana kidoro niisa 50 ihany koa ny toerana fitaizana zaza kamboty iray ao amin’ny Kaominina Behenjy, Distrikan’Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT