Politique

Fanomeza Razafimandimby tetsy amin’ny Magro Behoririka Na ireo migadra any am-ponja aza mampirisika amin’ny fihavanana


  • Talata 01 Jolay 2014

Na dia mafy sy manaikitra aza any am-pigadrana dia tsapa fa mampirisika amin’ny fihavanana ireo gadra politika mbola voatana any mandraka ankehitriny, hoy i Fanomeza Razafimandimby tetsy amin’ny Magro.......

Behoririka omaly alatsinainy 30 jona, fa izany no vetsovetson’izy ireo tamin’ny famangiana azy ireo tany farany. Ka “avoahy ny bandy mbola any am-ponja ireo, hoy izy, fa afaka hanampy anao ireo ry prezidà Hery Rajaonarimampianina fa tsy fahavalo ireo fa Rajoelina no naka fahavalo azy. Manana “agents de renseignement” ianao ka aza sarotra ampiana, hoy ity manamboninahitra polisy ity. Mitenena amin’ny haino aman-jery raha matahotra an-dRavalomanana ianao fa ho hitanay ny fepetra horaisina amin’izany fa manjary ianao sy ny fanapahan-kevitra indray no lasa sakana eto amin’ity firenena ity.  Nambaran’ity mpitarika ny fikambanan’ny gadra politika ity moa ho an’ny mpitolona etsy amin’ny Magro Behoririka fa “Mbola mitsanga-menatra isika satria tsy mbola vita ny tolona”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT