Telo volana latsaka kely sisa dia higadona ny 22-27 novambra, fotoana hanatanterahana ny Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia eto Antananarivo saingy tsy arakarak’izay ny fanomanana.
Tsy mbola vita ny tanànan’i Frankofonia eny Andohatapenaka ahitana trano goavana roa misy rihana 5 sy rihana 7 misy efitrano 220 ary trano fandraisam-bahiny ahitana rihana 10. Manodidina ny 40 tapitrisa euros na 131,32 miliara ariary ny vola ilaina amin’ny famitana azy.
Tsy ho vita ara-potoana
Mandeha ny feo fa misy olana ny famatsiana ara-bola amin’ny famitana ny asa noho ny fanodinkodinana teo amin’ny fitantanana. Mpiasa 400 no voalaza fa efa nalefa fiatoana ara-teknika efa 3 herinandro izay ary 100 mahery tsy mbola naharay karama ka niala tsikelikely. Tsy misy afa-tsy 50 eo sisa ireo mpiasa izay miasa andro aman’alina tsy ankiato, araka ny angom-baovao natao. Hita ho efa manomboka mangoron’entana anefa ireo orinasa misahana ny asa, izay heno fa tsy voahonitra ny vola natontony tamin’ny asa. Manampy trotraka izany, tsy mbola nanomboka ny fampiofanana ireo hiandraikitra ny firakarana ireo vahiny. Ny lafiny fitandroana ny filaminana tsy misy resaka kanefa mandeha ny feo fa efa eto amintsika ny mpampihorohoro. Vahiny an’arivony anefa no ho avy eto ka ho afaka miteny ve ny fanjakana Malagasy fa ho azo antoka ny fitandroana ny ain’izy ireo ? Mbola fanontaniana saro-baliana ny mahakasika ny herinaratra hampiasaina amin’io fotoana io izay tsy zakan’ny Jirama sa ny isan-tokantrano no hotapahina ? Ny zava-misy rehetra dia hahafaha-miteny hoe tsy misy tomombana ny fanomanana rehetra. Mbola sahy hidrikina hanao an’io fihaonana io ihany ve ny fitondrana ? Raha tsiahivina, fivorian’ny Parlemantera Frankofonina izay nanasana olona 600 mahery kely aza efa nivoaka sempotra ny fanjakana. Na ho tontosa na tsia io fihaonana an-tampony io dia hitafy henatra foana i Madagasikara vokatry ny amboletra sy tandrametaka ataon’ny mpitondra dedaka.
Nangonin’i Toky R. sy Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.