Vonona hanampy hiara-kiasa amin’i Madagasikara eo amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ny nosy Maorisy ka hitondra ny traikefany sy ny fahaizany.
Hisy ny manampahaizana Maorisianina ho avy eto Madagasikara handinihina ny fomba hanatanterahana izany. Nisongadina io nandritra ny fihaonan’ny masoivohon’i Maorisy sy ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana omaly. Maro ny orinasa Maorisianina te ho avy sy hiasa eto Madagasikara, hoy ny minisitra Rivo Rakotovao, tena ifantohan’ity fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity ho an’ny taona 2016 ny fanomanana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia amin’ny volana novambra. Fantatra ihany koa fa ho vonona amin’ny volana oktobra ireo fotodrafitrasa rehetra handraisana ny fivoriana, fa ny seranam-piaramanidina Ivato izay asiam-panitarana no ho vonona amin’ny ampahany ihany satria amin’ny 2018 vao tena ho vita tanteraka ny asa fanitarana azy. Na izany aza anefa dia hanana ny fotodrafitrasa rehetra hahafahana mandray ny fiaramanidin’ireo filoham-pirenena sy izay delegasionina miaraka amin’izy ireo ny seranam-piaramanidin’Ivato, hoy ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.