Politique

Fanomanana ny fifidianana Tonga ny ampahan`ireo fitaovana avy any Afrika atsimo


  • Talata 29 Oktobra 2019

Mizotra tsimoramora ny fanomanana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly.

 

 

 

Tonga tetsy amin`ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady lasa teo,  ny ampahany amin'ireo antontan-taratasim-pifidianana izay hotanterahina ny27 novambra izao toy ny fitanana an-tsoratra, ireo valopy saro-bahana, biletà tokana manokana (specimen)… izay novokarina sy natota tanyAfrikaAtsimo. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa teo anivon`ny tetikasa SACEM (Soutien au Cycle Électoral de Madagascar) sy ny rantsamangaikan`ny firenena mikambana ho amin`ny fampandrosoana (PNUD). Ny vaomieram-pirenena misahana ny fikarakarana fifidianana (CENI), izay namolavola endrika saro-pady hafa toy ny bileta tokana sy ny lisi-pifidianana, dia nanome toromarika, omaly, ho an`ireo kandidà ben` ny tanàna sy mpanolotsaina. Biletà anokana (specimen) omena ho an` ireo mpilatsaka hofidiana hanaovany fampielezan-kevitra mandritra ny nypropagandy izy ireo, hoy i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI. Manao antso avo an`ireo kandidà ny CENI eny anivon`ny distrika misy azy mba haka ny anjarany amin`ireo biletà tokana (specimen) ireto. Vitsy no azo omena azy ireo noho ny enti-manana ary dia azon`izy ireo atao dika mitovy ireto. Nanambara ny CENI fa hanomboka ny 8 novambra ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny birao fandatsaham-bato raha tokonyhanomboka amin'ity herinandro ity ny fampiofanana ireo mpitsara raharaham-panjakana sy ireo rafitry ny ad hoc.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT