Politique

Fanomanana ny fifidianana Hanampy antsika ny Firenena mikambana


  • Alakamisy 14 Aprily 2016

Efa mifantoka tanteraka amin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ny fitondram-panjakana.

 

Mba ho fandavorariana ny taom-pifidianana 2016-2019 dia nangataka tolo-tanana avy tamin’ny Firenena mikambana ny fitondram-panjakana malagasy. Mba ahafahana manao jery todika ny zava-bita hanatsarana ny ho avy dia nanatanteraka tombana nandritra ny 11 andro teto Madagasikara ny iraky ny Firenena mikambana nanatontosa ny nantsoina hoe NAM na ( Needs Assessment Mission). Ny alakamisy 7 aprily 2016 teo no vita ny tombana ary ny alatsinainy 11 aprily 2016 kosa no nisaotra ny Komity mahaleotena misahana ny fifidianana ( Ceni) atoa Simon Pierre Nanitelomio, filohan’ny delegasionan’ny iraky ny Firenena mikambana. Nandritra io fotoana io koa no nanolorana ny tatitra fohy momba ny tombana nataon’izy ireo teto Madagasikara. Ankoatr’ireo mpikambana ao amin’ny Ceni dia nihaona tamin’ny solontenan’ny mpitondra fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika ary ny solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ny fifidianana ihany koa ireto teknisianin’ny Firenena mikambana ireto.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT