Fanomanana ny fifidianana

> Manohana ny CENI-T ny Sinoa


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013


Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Béatrice teny amin’ny trano fiasany teny Alarobia, omaly tolakandro ny masoivoho vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Atoa Yang Min. Nampatsiahy ny fahatsaran’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ity diplaomaty ity ary nanome toky fa i Chine dia hanampy an’i Madagasikara amin’ny fifehezana ny fitoniana politika sy ara-toekarena. Nambarany ihany koa fa manana andraikitra goavana amin’ny fanatanterahana fifidianana mba hivoahana amin’ny krizy ny CENI-T. Efa nanampy antsika amin’ny fikarakarana ny fifidianana tamin’ny fanomezana solosaina 50 ny masoivohon’i Chine teo aloha, nampanantena ihany koa ity masoivoho vaovao ity fa handefa teknisianina izy handinika sy hanadihady izay filana ara-pitaovan’ny CENI-T. Nisaotra an’Atoa Yang Min ny amin’ny fahavononan’i Chine hanampy an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana fifidianana ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice .

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT