Politique

Fanomanana ny fifidianana


  • Zoma 22 Jona 2012

Omaly no nanao fianianana tetsy amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ireo mpikambana ao amin’ny CER Analamanga miisa 7.

 Avy amin’ny fikambanana mpanaramaso ny fifidianana sy manabe olom-pirenena ny sasany ankoatra ny solontena nofidian’ny Administratera sivily, holafitry ny mpisolovava ary ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara. Araka ny nambaran’ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice, dia efa tafapetraka avokoa ny mpikambana amin’ireny ratsamangaikan’ny CENI-T ireny eny anivon’ny Faritra sy ny Distrika. Ny fanofanana azy ireny momba ny famitana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izao no asa sahanina manerana ny Nosy. Mitady injeniera hanatontosa ny “mise à jour”-n’ny logiciel ampiasaina amin’io fanavaozana ny listra io izao ny CENI-T. Momba ny enti-manana kosa dia nambaran-dRtoa Atallah fa efa misy ny fifampiresahana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoropeanina. Eo amin’ny lafiny ara-pitaovana dia nahazo solosaina 250 ny CENI-T izay halefa any amin’ireo CIR sy CID ary mbola hampiana ireo. Misy moa ny fivoriambe tontosain’ity andrimpanjakana ity ny 28 jona handinihana ny tohin’ny kalendrie momba ny fifidianana raha efa azo omena feno.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT