Sadaikatra ny mpanara-baovao manoloana ny fiseho sy fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana. Raha ny nambaran’Atoa Razafimamonjy Roger, olon-tsotra, dia be loatra aminy ny isan’ireo kandidà ho filoham-pirenena amin’izao fotoana. Aminy dia mitory avy hatrany fitiavan-tseza ranofotsiny ny hamaroan’ny mpilatsaka hofidiana toy ny misy amin’izao tetezamita izao. Raha ny tokony ho izy, toy ny fahita amin’ireo firenen-dehibe, dia mifampifidy aloha ireo mitovy firehana ka izay hamoahana kandidà iray iraisana no atao mba ho azo antoka ny fandresena, hoy ihany ity olon-tsotra ity.
Mahalasa saina azy ihany koa ny fampiasana ny biletà tokana, indrindra ho an’ireo Malagasy maro an’isa tsy mahay mamaky teny sy manoratra, indrindra fa ny any Ambanivohitra any. Nambarany fa io no mety hisian’ny hosoka goavana raha tsy misy ny fepetra hentitra amin’ny fampianarana ny olona. Nambarany fa ny fampianarana ny fampiasana ity fomba vaovao ity dia tokony hakana fotoana lavalava kokoa mba hipetraka ny fankatoavan’ny rehetra ny voka-pifidianana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.