Voarain’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana etsy Iavoloha omaly ny antontan-kevitra mirakitra ny fomba fiasan’ny komity mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI entina hanatsarana ny tontolon’ny fitsarana sy fangaraharahana mikasika ny fifidianana rehetra ho avy.
Vontoatin-kevitra 4 no mamintina ny fomba fiasa, dia ny fanaraha-maso ireo vokatra amin’ny alalan’ny fitaovana avo lenta, ny fanaraha-maso ny fangaraharaham-pifidianana, famerenana ny fijerena ny lisitry ny mpifidy ho an’ny taona 2016-2017 mba hahafahana manentana bebe kokoa ny mpifidy sy hisorohana ny fahabagan’ny lisitra ary ny fanatsarana ny lafiny serasera sy ny fanabeazana ara-pifidianana. Tonga nanatitra ity raki-tsoratra ity moa ny delegasionina avy amin’ny CENI izay notarihan’ny filohany Hery Rakotomanana sy ny solontenan’ny rafitry ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana na ny PNUD, Marie Dimond.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.