Politique

Fanomanana fifidianana Hizara traikefa ny Afrikanina Tatsimo, hanome 100 000 dolara ny Koreanina Tatsimo


  • Alarobia 27 Febroary 2013

Nisy ny karazana atrikasa niarahan’ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Béatrice sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo eto amintsika Atoa Grobler Gert Johannes, omaly teny amin’ny foiben’ny CENI-T teny Alarobia.

 Nandritra izany fihaonana sy fifanakalozan-kevitra izany no nahafantarana fa voaasa ho any Afrika atsimo afaka herinandro vitsy Rtoa Atallah Béatrice mba hihaona amin’ireo tompon’andraikitra mpikarakara fifidianana any amin’ity firenena ity. Fantatra ihany koa fa ho avy eto amintsika, tsy hoe ela Rtoa Pansy Tlakula filohan’ny CENI any Afrika Atsimo, ity firenena ity izay vonona hitondra ny traikefany amin’ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana, amin’ny alalan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana.

Fa teny amin’ny foiben’ny CENI-T ihany dia nitsidika ara-pombam-panajana an-dRamatoa Atallah Béatrice, omaly talata ny delegasiona Koreanina Tatsimo notarihan’Atoa Young Chae Kim, minisitra sady masoivohon’i Korea Atsimo monina sy miasa atsy Pretoria (Afrika Atsimo). Nanamafy ity diplaomaty ity fa handefa iraka manokana eto Madagasikara ry zareo Koreanina Tatsimo amin’ity enim-bolana voalohan’ny taona ity, mba handinika ny fivoaran’ny toe-draharaha eto, ho fanohanana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana dia hanolotra vola 100 000 dolara i Korea Atsimo, ary maniry mba tsy ho sakana amin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana ny famotsoran-keloka, fa mba tena hampilamina sy hampitony tokoa ny firenena,

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT