Politique

Fanomanana fifidianana Hisy fanitsiana goavana


  • Zoma 08 Jona 2012

Amin'ny fitadiavana lalana hamahana ny krizy dia miara-manaiky ny rehetra fa ny fifidianana ihany no vahaolana.

 Raha ny zava-misy anefa dia kobokobonina samy maka ho azy any na ny fitondrana na ny antoko politika, fa tsy resahina sy dinihina miaraka na eo ihany aza ny fampiantsoana efa nataon’ny CENIT nampihaonana ireo vondrona mpanao sonia ny tondrozotra. Mandeha ila ihany ny raharaha, tsy misy ny marimaritra iraisana mikasika io fanomanana fifidianana io satria mbola maro ny fifanoheran-kevitra miseho. Ao ny milaza fa irosoana aloha ny fifamelana sy ny famotsoran-keloka dia atao ny fampihavanana vao manao fifidianana. Ny hafa indray mihevitra fa fifidianana avy hatrany no hamaha izany, satria tsy misy olom-boafidy intsony eto ka noho izany tsy misy afaka hilaza fa manana ny maro an’isa, ny fitondrana koa efa tsy ara-dalàna. Omaly, dia nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao fifandraisan’ny SADC ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara nitondra ny fahitany ny zava-misy. Nitarika ny delegasiona tetsy ankorondrano, misy ny foiben-toeran’ny ny Birao fifandraisan’ny SADC ny filoha nasionalin'ny antoko, Rabeharisoa Saraha Georget. Ankilany ny mpikambana efatra ao amin’ny Birao fifandraisan’ny SADC tarihin’i Schalk Sandile. 

 
Nivoitra nandritra ny dinika fa mila ampitoviana ny anjara toeran'ny antoko politika rehetra manolotra kandida eo amin'ny sehatra sy rafitra rehetra mikarakara ny fifidianana. Manan-jo feno ary mitovy ny antoko politika rehetra hiatrika fifidianana manana kandida ho filoham-pirenena. Nampahafantatra ny teo anivon’ny SADC fa hisy manampahaizana manokana na “experts” avy amin’ny Firenena Mikambana ho avy tsy ho ela hijery sy hanara-maso ny fanomanana ataon'ny CENIT ankehitriny ary tena handray an-tanana ny fifidianana. Hentitra ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny Birao fifandraisan’ny SADC fa tsy hisy datim-pifidianana azo faritana raha mbola misy ny fanilikilihana momba ny fanomanana fifidianana, ary tsy hisy fifidianana hahazo fankatoavana na hoeken'ny Firenena Mikambana raha izany no miseho.
 
Noho izany, hisy ny fifanarahana hifanaovan'ny samy antoko politika hanolotra kandida manaraka ny satan'ny demokrasia. Hisy ny fampitovian-jo ny antoko eo anatrehan'ny seha-pifidianana sy rafi-pifidianana rehetra. Mazava, araka izany, fa tsy mamaly ny fepetra hisian’ny fifidianana madio, mangarahara, demokratika, eken’ny rehetra ary ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny rafitra sy ny sehatra fanomanana ny fifidianana misy amin’izao fotoana ka hisy ny fanitsiana sy fanatsarana goavana na eo amin’ny rafitra io na ny fomba fiasa, indrindra eo amin’ny andraikitra, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Voaresaka amin’izany ny etika sy fitondran-tenan’ny mpanao politika, indrindra ireo kandida na inona na inona mety vokatry ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.
 
Araka ny fanazavan-dRtoa Saraha Rabeharisoa dia mbola hihaona amin'ny mpandrindra ny asan’ny Firenena Miakambana eto Madagasikara ny antoko Maitso tarihiny ato ho ato, hidinika indrindra ny momba an’ireo. Tsiahivina fa ny 23 janoary 2012 ny Maitso no nanoratra nangataka ny handraisan'ny Firenena Mikambana an-tanana ny fifidianana hatao eto Madagasikara.
Noresahin’ny Maitso nandritra ity fihaonana tamin’ny SADC teny Ankorondrano, omaly, ity koa ny lalam-pifidianana sy ny lalànan'ny CENIT izay mifanipaka eo amin'ny fampiharana ny zon'ny antoko hiatrika fifidianana. Noresahina ihany koa ny fanitsiana andrandraina amin'ireo lalàna momba ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.
 
Nialoha ity fihaonana teny Ankorondrano omaly ity dia efa nisy ny taratasy misokatra nalefan'ny antoko Maitso ho an'ny filohan'ny CENIT nanambarany fa misy mizana tsindrina ila ny fanomezana andraikitra ny antoko politika eo amin'ny CENIT sy ny ratsamangaikany.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT