Politique

Fanolorana mariboninahi-pirenena Mbola maty vao Ramalala hatrany ny eto amintsika


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Mbola baraingo ny hoavin’ireo olona 4 ao amin’ny ministeran’ny mponina, nieren-doza tany Soanierana Ivongo ny alahady 28 septambra 2011.

 Raha ny fizotry ny fanadihadiana natao hatreto dia mifamahofaho be ihany ny mikasika ny anton’iny loza iny ka azo antoka fa mbola ho anisan’ireo hantsoina ho vavolombelona tamin’ny zava-niseho marina teny an-dranomasina teny izy ireo. Asa na noho izany ve, sa noho ny antony hafa no tsy mba nanolorana mariboninahi-pirenena an’ireo ankanga sisa nanamborana na ireto «sisam-paty» ireto ? Fa tao anatin’ny fanatanterahany ny asany avy no nahavotra azy ireo tamin’ny loza niseho. Ny azo antoka aloha, raha sanatria ka namoy ny ainy tao koa izy 4, dia tsy nisalasalana fa anisan’ireo notolorana ireny mariboninahi-pirenena ireny. Tsy iadian-kevitra fa tena rariny ireny fanolorana mariboninahtira ireo namoy ny ainy tamin’ny loza ireny fa dia ho sanatria kosa mbola hitoetra hatrany ve ilay fitenenana malaza eto amintsika hatramin’izay ka hatramin’izao, efa zary lasa raiki-tapisaka amin’ny fisainan’ny Malagasy hoe : «maty vao Ramalala» ?

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT