Politique

Fanolorana anarana depiote Miditra an-tsehatra mihitsy ny filoham-pirenena


  • Zoma 08 Martsa 2019

Manomana fatratra ny fifidianana solombavambahoaka ny antoko politika lehibe amin`izao.

 

 

 

 Tsy misy manao ambanin-javatra ny fifidianana ireo antoko lehibe rehetra ary efa mikatroka sy mijery ny paikady ahazoana fandresena amin`ireo distrika 119 manerana ny nosy. Hatreto aloha, lasa fifaninanana vovonana politika satria dia manangana izany avokoa ireo antoko politika heverin`ny fitondram-panjakana hiatrehana izany toy ny IRD, IFI… Miroso amin`ny fijerena depiote harotsany ireo antoko manohana ny fitondrana ankehitriny. Raha tsiahivina, efa ho herinandro izay no nivoaka ny feo fa efa vonona ny lisitr`ireo kandidà atolotr`ireo vovonana manohana ny filoham-pirenena saingy tsy mety tanteraka. Tsy mahagaga anefa satria ireo lohandohan`ny mpisorona no manivana ireo kandidà ary mandray anjara feno ny filoham-pirenena. Ao anatin`ny fifantenana tanteraka etsy Arena Ivandry ary mitandahatra ireo kandidà avy amin`ny faritra. Ho an`ny mpitondra fanjakana dia ny handrombaka ny maro an`isa mba hampilamina azy ireo mandritra ny dimy taona sady mihevitra hibata 75%-n’ny toeran`ny depiote ao Tsimbazaza mba tsy hozongozonina fa maro an`isa malalaka tsara. Manahirana izany, indrindra amina tany repoblikanina toa an`i Madagasikara, tsy tokony hiditra an-tsehatra hifantina ny kandidà harotsany amina fifidianana ny filohan`ny repoblika satria tsy filohan`ny antoko sy fikambanana intsony ny tenany. Marihana fa ny depiote dia natao hanara-maso ny asan`ny mpanatanteraka fa tsy natao hanara-drenirano sy fitaovana ho an`ny mpanatanteraka fotsiny. Ny filoha Rajoelina anefa dia mifantina mivantana ireo kandidà miaraka ireo mpitarika ny antoko manohana azy ka midika fa hanana trosa ara-moraly sy tamberinandraikitra azy ireo depiote fa tsy amin`ny vahoaka nifidy azy akory. Tsy mifanaraka amin`ny lalàna velona eto amin`ny firenena izany. Tokony hanana ny fahaleovantenan`ny antoko amin`ny fifantenana kandidà fa tsy mijabaka amin`izany ny mpanatanteraka. Rehefa misy olona ao anatiny hilatsaka amina fifidianana dia manao kongresy ka ao no ahafahana mijery izay nahavita be, ny mendrika hitantana sy hofidiana amin’ny fifidianana rehetra ka izy no aroso. Raharaha anatin’ny antoko izany ka tsy tokony hiditra ireo mpanohana ara-bola sy ireo mpahay lalàna nanampy ny filoham-pirenena tamin`ny fifidianana farany teo. Aferan`ny antoko ny fifidianana ary fotoana hanehoan`ny vahoaka ny safidiny io amin`izay olona tiany hanara-maso ny asan`ny mpanatanteraka. Miroso amin`ny fanomezana fahefana feno ho an`ny olon-tokana isika eto Madagasikara sady manitsaka ny hasin`ny Antenimieram-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT