Politique

Fanoloana praiminisitra Fanina tanteraka ny HVM


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Arakaraka ny ivoizana ny fialan’ny jeneraly Ravelonarivo Jean amin’ny seza maha praiminisitra azy no toa vao mainka manamafy ny toerany. Mangarika ny Hvm sasany.

 

 Hanatontosa fitsidihana arak’asa any Frantsa atsy ho atsy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean.

 

Miandry aloha

Raha ny fialan’ity mpanao politika ity amin’ny toerany no re isan’andro, eo ihany koa ny tsaho miely fa marary indray ka handeha hitsabo tena ny jeneraly Ravelonarivo dia nanamafy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fiadidian’ny praiminisitra fa momba ny asa no halehany any Frantsa. Na mety ho maika sy dodona toy inona aza ny mpikambana HVM sasany ny hametraka praiminisitra vaovao dia tsy mbola izao aloha izany fa mahareta e ! Mbola ho fantatra miandalana eny kosa ny mety ho votoatin’ny fihaonana amin’ny tompon’andraiki-panjakana frantsay. Ny andrasan’ny Malagasy dia ny hiadian’ny praiminisitra ny hamerenana amintsika ny « iles éparses » izay efa nanaovan’ny masoivohon’ny federasionan’i Rosia fanambarana fa raha mila fanampiana i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo nosy ireo dia vonona i Rosia ny hanampy antsika.

 

« Vignette touristique »

Mety hisy antony hafa momba ny fanomanana ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia ihany koa anefa ity dian’ny praiminisitra any Frantsa ity. Ny zava-misy mantsy ankehitriny dia maniry tsikelikely toy ny holatra etsy sy eroa ny fotodrafitrasa samihafa. Rehefa zohiana akaiky dia saika entina hanomanana ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia avokoa izy ireny. Ny mahalasa ny saina kely dia ny tsy mba andrenesana mihitsy ny tolo-bidin’ireny asa ireny. Tafiditra amin’izay fanomanana ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia izay dia nisy ny fihaonan’ny praiminisitra tamin’ireo tompon’andraikitry ny birao nasionalin’ny fizahantany sy ireo mpiandraikitra ny birao isam-paritry ny fizahantany omaly tetsy amin’ny hotely Carlton izay niarahana tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro. Tapaka tamin’io fihaonana omaly io fa hampiharina manomboka ny volana jona 2016 izao ny fitakiana ny « vignette touristique » izay alaina eny am-pidirana ny seranana manomboka izao raha toa ka tany amin’ny trano fandraisam-bahiny no nakana azy teo aloha. Ferana ho 10 euros isan’olona izy io ary hihatra alohan’ny fivorian’ny frankofonia. Hitsinjara toy izao izany vola izany avy : Ny 30% dia ho an’ny biraom-paritry ny fizahantany voakasika raha toa ka ny 40% kosa an’ny birao nasionaly ny fizahantany ary ny 30% farany dia harotsaka ho an’ny minisiteran’ny Fizahantany.

 


 

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT