Politique

Fanoloana olom-panjakana maro Hanomanana ny fifidianana


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Misesisesy ny fanoloana olona, izay matetika isaky ny filankevitry ny minisitra. Vao tamin’ny herinandro ambony no nanoloana ireo lehiben’ny distrika maromaro teto amin’ny firenena

. Teo ihany koa ny fanalana ireo tompon’andraikitra ambony izay nitazona toerana teknika saingy navadiky ny mpitondra ho politika izany, izay antony iray mampikorosy fahana ny raharaham-panjakana. Ho avy ny fifidianana lehiben’ny faritra ary mazava ho azy fa ho mora amin’ny mpitondra ankehitriny ny hanao baiko midina amin’ny fanapahan-kevitra tiana horaisina toy ny fanomezana baiko amin’ny fampandaniana ireo olon’ny mpitondra amin’ny fifidianana. Ireo mpifidy vaventy mantsy dia eo ambany fahefan’ireo sefo distrika vao notendrena. Ireo ben’ny tanàna ihany koa dia tsy maintsy ho tratry ny tery vay manta vokatry ny tsindry bokotra avy aty ambony ka ireo koa dia voatery sy omena baiko handresy lahatra ny vahoakany amin’ny fifidianana rehetra ho avy toy ny fifidianana filoham-pirenena. Iaraha-mahita fa izay tsy manaiky hiara-dia amin’ny mpitondra dia lasa sorona ny vahoaka sy kaominina ka manaiky tsy fidiny.

                                                                                                                                 Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT