Politique

Fanoloana ny PDS Misavorovoro ny ao Tolagnaro


  • Zoma 25 Jolay 2014

Samy tsy mankato ny fanesorana an’ingahy Andriamaro Jovain Thomas tamin’ny toerany amin’ny maha PDS azy ireo fikambanana sy mpanao politika ary olon-tsotra maro ao Tolagnaro. Saika io fanesorana io no ambetin-dresaky ny vahoaka ao an-drenivohitra Anôsy ao. Araka ny fantatra, nitarika tsy fahafalian’ireo mpikambana niara-dia tamin’ny fampandaniana an’Atoa Rajaonarimampianina ho filoha

. Maro ireo fikambanana sy antoko politika lany mondron-kery tamin’ny fanohanana ny filoha no nifanatona tany amin’ireo kartie sy tamin’ny trano fandraisam-bahiny nitady izay fomba rehetra hanoherana marin-drano ny fanapahan-kevitra. Ny PDS teo aloha sy ireo lefiny roa mirahalahy efa vonona ny hanao ny famindram-pahefana amin’ireo izay hisolo toerana. Araka ny fandaharam-potoana dia anio zoma no hanaovana ny famindram-pahefana. Ny alarobia teo anefa tsy fantatra izay fiovan-kevitra tampoka teo amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fa hofoanana indray ny fanendrena ireo ekipa vaovao. Samy gaga ny rehetra. Fa nisy inona loatra no nahatonga izao fiovaovan-kevitra tampoka teo amin’ny fitondrana izao. Ny PDS teo aloha an-daniny, voalaza fa nivantanan’ny resaka izay mbola am-bava na verbal ihany. Ireto vao handray ny toerana etsy an-kilany, tsy mbola mahalala na inona na inona, sanganehana. Raikitra ny savorovoro. Hiroso sa hihemotra ? Iza mariana no hitantana ity kaminina ambonivohitra iray ity ? Dia zary fihomehezana fotsiny. Maro ny manombana fa tratry ny vay manta avy amin’ireo HVM ireo lohandohany ao amin’ny minisitera ka nahatonga azy ireo hiverina amin’ny fanapahan-kevitra tao anatin’ny fotoana fohy. Harahina eny ihany ny fivoarany. Mahakasika ny ao amin’ny kaminina ambonivohitra Ambovombe Androy indray dia efa tafapetraka tamin’iny herinandro iny ny PDS vaovao sy ireo lefiny roa hiara-kiasa aminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT