Politique

Fanoloana ireo sefo fokontany Tsy misy idiran’ny Ceni


  • Talata 05 Novambra 2019

Mbola ireo lisi-pifidinana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo,

 

 no ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izay hatao ny 27 novambra ho avy izao, hoy ny teo anivon’ny Ceni. Hiditra amin’ny fampielezan-kevitra anio talata mantsy ireo kandidà mpifaninana amin’izay toeran’ny ben’ny tanàna izay, ka handresen’izy ireo lahatra sy ny hanolorany ny vina sy ny fampandrosoana ny kaominina misy azy avy, ireo kandidà ireo. Ity fifidianana ben’ny tanàna farany ity, no manakaiky ny vahoaka, ka hisafidy izay olona tiany hitondra ny kaominina ny olom-pirenena tsirairay. Ankoatra izay, nitondra ny heviny mikasika ny fanoloana ireo sefo fokontany manerana ny nosy, ny teo anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny Ceni ka nanambaran’ny mpampakateny ny Ceni, Fano Rakotondrazaka fa anjaran’ny minisitry ny atitany no manala ny sefo fokontany amin’ny toerany, rehefa tsy namokatra teo amin’ny fitantanana. Eo ihany koa ny mety ho antony hafa (ndlr : izay mety ho kajikajy politika). Nomen’ny minisitera fahefana kosa ny distrika, mba hanendry ny sefo fokontany ho solon’ireo nalana ary tsy misy idiran’ny Ceni mihitsy ny momba ny fanalana sy ny fanendrena ireny sefo fokontany vaovao ireny, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Sitraka r.    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT