Tsy nanankim-po tamin’ireo fananana izahay mivady na dia nisy aza ireo simba sy nopotehina tamin’ny fotoanandrony na dia tany an-tany lavitra aza
. Fitaovana notendren’Andriamanitra fotsiny hampiasa an’ireny rehetra ireny hanasoavana ny mpiara-belona izahay ka na dia nisy aza potika dia fady anay ny nivarotra an’ireny ary naseho eto Tanjombato araka izao hita izao ny santionany tamin’izany. Harenina ireo na hosoloina vaovao fa izay ilay finoana tato anaty niainantsika toy ny zanak’Israely fahiny. Raha mbola misy any dia havereno aminay na fanananay na tany na vola any amin’ny banky fa tsy mahasoa anareo ireny. Ka eto aho dia milaza aminareo tompon’andraikitra tompom-pahefana ankehitriny, aza sakantsakanana ny hanamboaranay ny simba sy hanarenanay ny may ary ny fanokafanay ny nihidy. Tsy hoentina mirehareha izany fa hanasoavana ny mpiara-belona, araka ny tarigetra hatrizay. Mino aho fa manam-pahefana tokoa ianareo ka mahafantatra izany. Ary isika mianakavy izao, aoka mba hifampatoky fa ny fiaraha-miasa tsy misy fihatsaram-belatsihy no mahatanteraka ny mahasoa ka tsy ny fitatatatana amin’ny radio sy tele isan’andro vaky no inona ! Ho anareo mpamatsy vola avy any ivelany, fantatra fa manampy an’ireo firenena Afrikanina maro ianareo, ka tonga ny fotoana ankehitriny mba hijerenareo izay hanampiana an’i Gasikara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.